Ndeha Hitady ny Marina

October 28, 2009

Iza ireo tantsaha vaovao ?

28-10-2009

Nirongatra tatoato ny fampiasam-bola eo amin’ny resaka fambolena sy fividianana tany hanaovana izany. Nohon’ny krizin’ny tsy fahampian-tsakafo eran-tany nanomboka ny taona 2008 no nahatonga izany rehetra izany ary orinasa tsy miankina fa tsy fanjakàna akory no tena mirotsaka amin’izany fandraraharana izany. Raha nalaza teto Madagasikara ny resaka Daewoo izay ny gazety Amerikana “Financial Time” no namoaka azy voalohany dia tsy be mpahalala kosa izany tany Corée Atsimo satria tsy ny fanjakàna Koreana no nifanaraka tamin’ny governemanta Malagasy fa ny orinasa tsy miankina Daewoo Logistics. Ny andraikitr’ireo governemanta vahiny dia manamora ny fifanarahana fotsiny ihany fa ny sehatra tsy miankina no tena mahazo vahana. Diso koa ny fieritreretana fa ny vokatra azo avy amin’ny fambolena hataon’ireny orinasa ireny dia hamenoana ny tsy fahampian-tsakafo any amin’y firenena niaviany; tsy mitovy tokoa mantsy ny tanjon’ny governemanta sy ny atao hoe “orinasa tsy miankina”, maka TOMBONY no antom-pisiany ka izay ihany no imasoany.

Raha handray ny ohatra izay nitranga tany amin’ny nosy Maorisy akaikintsika fotsiny dia hita taratra fa ny tany 20, 000 ha hofaina anatin’ny fotoana lavabe tany Mozambique, natao hambolena vary ho an’ny tsena Maorisianina dia tsy ny governemanta no manao azy na dia izy ary no nanao ny fifanarahana fa orinasa tsy miankina. Nahofany fanindroany tamina orinasa hafa ny tany izay avy any Singapore ny iray sady tompon’ny ambioka namboarina (riz hybride). Tsy mitsahatra mitombo ny fampidirana renivola ao amin’ny resaka fambolena izay tafakatra am-polony lavitrisa dôlara. Ny tanjona dia tsy hoe akory hitondra vahaolana amin’ny tsy fahampian-tsakafo mitranga eran-tany ireo mpampiasa vola ireo na koa hanafoana ny fahantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra fa ny haka “tombony” fotsiny satria tsy hitsahatra ny hisondrotra ny vidin-tsakafo. Toy izany no endrikin’ny famantsiam-bola ataon’ny vahiny rehetra mahazo tany sy rano any amin’ny firenena hafa izy ireo.

Ny tena loza dia tsy manana traikefa momban’ny fomba fambolena sy famokarana nolovain’ny tantsaha zanatany hatramin’izay izy ireo. Mihevitra tokoa mantsy ireny orinasa ireny fa fampiasam-bola ahitana tombony ao anatin’ny fotoana fohy no atao ka mety daholo ny fomba rehetra ara-teknôlojika ahazoana voakatra betsaka amin’y tany midadasika. Izany hoe hatao ara indostrialy ny fambolena: zezika simika sy famonoana bibikely, ambioka OGM na hybride, fampiasana milina lehibe, izay efa voaporofo fa manimba ny nofon-tany toy ny efa nitranga tany Inde. Matetika dia samy natao hampidi-bola na ny vokatra azo avy amin’ny fambolena na ny sandan’ny tany izay heverina fa hiakatra hatrany. Misy mihintsy aza ny mihevitra ny hanao ny tany fambolena ho entam-barotra mety ho solon’ny solika dia i “Altima Partners”, iray amin’ireo mpampiasa vola amin’ny fambolena nivory tany New York ny Jiona 2009 lasa teo. Raha ny lanjan’ireo orinasa ireo eo amin’ny sehatrin’ny fambolena dia afaka lazaina fa tsy hampitony velively ny hanoanana eto an-tany ary hanaisotra ny zon’ny mponina iaina am-pilaminana eo amin’y tany nolovainy tamin’ireo razany.

Loharano: www.hasinimadagasikara.mg

August 27, 2009

Pôlitika Masiso

Inona ny famaritana ny atao hoe Pôlitika ? Ny ao anaty rakibolana dia hoe :

  • Ny siansa sy fahaizana manokana momban’ny fitondràna governemanta.
  • Fitambaran’ny hevitra sy ireo fitsipika ho entina miatrika fitondràna
  • Ireo tetik’ady sy hetsika mifandraika amin’ny fandraisana na fampiarana fahefana na governemanta hanasoa ny vahoaka.
  • Ny ahalalan’ny daholobe ny atao hoe Governemanta kosa dia ny fitambaran’ny vondron’olona ao anaty fitondrana izay atao bango tokana hoe fanjakàna (Mme Fanja). Ny olon’ny fanjakàna anefa dia tsy avy aiza akory fa avy amin’ny vahoaka ary natao hiasa ho an’ny vahoaka. Ny atao hoe Repoblika Demôkratika –teny izay mahafinaritra ny maro– dia midika fa fitaovana natao hanatanteraka ny hetahetan’ny vahoaka ny Governemanta, izay nofidina hisolo toerana azy ireo. Ny Pôlitika no entina mandrindra ny tsy fitovian-kevitra sy fifandresen-dahatra ka ahafahan’ny tsirairay tsy an-kanavaka maneo ny fomba hikatsahana ny mahasoa eo anivon’ny mpiara-belona. Indrisy fa tsy izany ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka nilazàn’i Thomas Paine hoe : “Adidin’ny tia tanindrazana ny miaro ny fireneny amin’ny Governemanta”. Ankehitriny dia mihevitra ny olon’ny Governemanta fa rehefa vita ny fifidianana dia malalaka izy ny hanao izay tiany atao amin’ny firenena, ary tsy eto Madagasikara ihany no hisian’izany fa eran-tany mihintsy. Toa lasa mangataka sy milela-paladia ny Governemanta ny vahoaka rehefa misy ny tian’izy ireo ovàna mba hahatsara ny fiainany. Ohatra iray izao ny nitranga tany Etazonia, ny fandavan’ny vahoaka ny ady tany Iraq ary farany teo ny fanoherana ny fanomezana volabe ho an’ny Banky banky rompitra (izay olon-tsotra ny tompony) nohon’ny krizy, ary amin’izao isika miteny izao dia ny resabe momban’ny rafitra ara-pahasalamana (health care system). Tsy misy na dia iray aza fanampahan-kevitra mifanaraka amin’ny tena hetahetam-bahoaka, lasa miaro vondron’olona mpangalatra ilay Governemanta ary matetika mangeja ny fahafahan’ny vahoaka nifidy azy. Ary ny tena loza dia tsy mihetsika ireo vahoaka iharan’izany tsy rariny izany. Ny fanontaniana dia ny hoe ilaina tokoa ve ny Governemanta sy ny fanjakàna handidy izay tokony ho mety ho an’ny vahoaka ? Ny valiny dia TSIA.

    Mibahana sy tsy ahafahan’ny angovo ananan’ny tsirairay hivelatra ny rafitra fitondrana an-tanan-tohatra na izy fanjakana, fiangonana, na vondron’olona vitsy mangeja ny harem-pirenena . Ahoana no tsy ahafahan’ny mponina tsirairay misahana ny raharahany amin’ny alalan’ny famoronana, fiaraha-miasa, fifanajàna sy fihavanana. Samy mahalala daholo isika fa ny fanjakàna dia kolikoly, ary ny Mpitondra dia tsy mihevitra afa tsy ny hampitombo ny fahefana ananany fa tsy ny hikatsaka ny tsara ho an’ny fiarahamonina. Tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny fihetsiny ary midika izany fa tsy mila lalàna hanery fa tokony hahafantatra ny mety ho an’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona. Izany fandraisana andraikitra izany no esorina tsikelikely amin-tsika ka hanomezana fahefana ireo Mpitondra hanapaka eo amin’ny toeran-tsika hoe “toy izao ny mety aminareo” sy hamela azy hanao izay tiany atao, ary mba hatahotra azy ireo isika satria very tsikelikely koa ny fahafahana. Ankehitriny mantsy dia ireo nolazaina fa hoe “Mpitondra”, “Mpitarika”, solotenan’ny vahoaka ireo no manao takalon’aina ny firenena ka manery ny tsy maintsy hidinihana any Maputo (I, II) hizaràna ny fahefana (hanabotry vahoaka); matahotra ny hifamono izy ireo nefa tsy manaiky ny hifanaraka noho ny fitiavan-tena. Izao marina izany no atao hoe “Demôkrasia”:

    Demôkrasia dia toy ny Amboadia roa sy Zanak’ondry iray mifidy ny ho atao sakafo atoandro. Ny fahafahana dia ilay zanak’ondry mpiady vonona hanoatra ny valin’ny fifidianana.” Benjamin Franklin, 1759

    July 31, 2009

    MAKA NY TOERANY EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA NY ANTOKO HASIN’i MADAGASIKARA

    Nametraka ny fototry ny politika ara-tontolo iainan’ny antoko eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena hiatrehana ny fikaonan-doha iraisam-pirenen’ny maitso any Malmoë Suède izay hatao amin’ny faran’ny volana oktobra 2009 ny delegasiona avy amin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Delegasiona izay notarihin’ny Filohany Saraha GEORGET RABEHARISOA, ahitana ny mpikambana ao amin’ny birao politika sy ny Ambasadaoron’ny antoko Maitso Malagasy any Eoropa, Andriamatoa Giancardo FUSCO. Noraisin’ireto olom-manakaja manaraka ireto ankitsim-po ny delegasiona: ny Filohan’ny Maitso Italiana Ramatoa Gracia FRANCESCATO, ny kandida ho filohan’ny Maitso Italiana Ramatoa Monica Frassoni, ny Sekretera Jeneralin’ny Maitso Eoropeana Andriamatoa Juan BEHREND, ary ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Maitso ao Rome Via Salandra Italie, foiben’ny antoko Maitso Italiana.

    Nasain’ny haino aman-jery ofisialin’ny maitso italiana ihany koa ny Filohan’ny antoko Hasin’i Madagasikara nandritra ity fitsidihana ity.
    Voaasa handray fitenena eo amin’ny Tribune officielle’ny Fivoriamben’ny Maitso Italiana ny filohan’ny Antoko Hasin’i Madagasikara ary izy irery ihany aloha hatramin’izao no nahazo izany voninahitra izany. Tsy manam-paharoa eo amin’ny tantaran’ny fivoriambe nasionalin’ny maitso izany ary mariky ny firaisan-kina lehibe sy ny fanajan’ny Maitso Italiana ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny antoko Hasin’i Madagasikara.

    Nandritra ny fandraisana fitenenana teo anoloan’ny Fivoriambe sy ny mpanao gazety tonga nanatrika izany no nangatahan’ny Filoha Saraha GEORGET RABEHARISOA ny fanohanana matotra avy amin’ny Maitso Eoropeana amin’ny fanafoanana ny fanokana-monina an’i Madagasikara misy ankehitriny. Nangataka ihany koa izy ny amin’ny hampiasana fitaovana mahomby mba hafahana mampihena na koa manafoana ny elanelana misy amin’izao fotoana izao eo amin’ny Avaratra izay efa tena matanjaka ara-indostria sy ny Atsimo izay mbola eo andalam-pandrosoana. Nasongadina manokana ny olana amin’ny fananan-tany, ny fiarovana ny rano ary ny fametrahana politika fampandrosoana maharitra izay manaja ny tontolo iainana. Naharesy lahatra ny olona rehetra nanatrika ity fivoriana ity ireo hafatra manan-danja ireo. Izany no antony niangaviana ny antoko Hasin’i Madagasikara hiaro an’ireo foto-kevitra ireo mandritra ny Fivoriamben’ny Maitso eran-tany izay hatao any Malmoë Suède amin’ny volana oktobra 2009. Nahafa-po tokoa ny fifanakalozan-kevitra vita tamin’izany satria dia noraisina ho toy ny mpampivondrona ho any amin’ny hevitra vaovao azo hampiarina amin’ny fanatontoloana ny fototra iorenan’ny antoko Hasin’i Madagasikara izany hoe: ny tany, ny rano ary ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Ao anatin’izany ny fitandroana ny Kolo-tsaina sy ny Tantaran’ny firenena tsirairay avy. Ambonin’izay rehetra izay dia nanambara teo anoloan’ny Fivoriambe sy ny mpanao gazety Ramatoa Filohan’ny antoko Hasin’i Madagasikara fa hangataka ny hampidirana ao anaty lalam-panorenana izay hofidiana eto Madagasikara atsy ho atsy ny tsy hampiasana mihitsy ny angovo nokleary na eo amin’ny sehatra sivily na eo amin’ny sehatra ara-miaramila na dia eo aza ny fananany uranium marobe ao ankibon’ny tany. Nilaza ihany koa izy fa handà izay mety ho fifanarahana mikasika ny fanariana loto nokleary eny an-tanety sy eny amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.

    Marihina fa mirona tanteraka amin’ny fanapariahana ny angovo azo avy amin’ny rano, ny rivotra sy ny masoandro ary manome lanja betsaka ny fiovaovan’ny toetr’andro ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara.

    July 24, 2009

    Ny Baiboly sy ny tsy fantatsika

    Re manerana ny radio tatoato ny dokam-barotra mampafantatra fa azonao atao izao no mampiditra ny Baiboly ao anaty finday sy ireny “lecteur mp3”ireny, izany hoe afaka mamaky sy mihaino ny Baiboly ianao na aiza na aiza. Ezaka tsara tokoa ny nataon’ny Trano Mpampiely Baiboly amin’ny fampiroboroboana ny famakiana Baiboly, ilay boky voadika amin’ny teny maro sy betsaka lafo indrindra eran-tany. Ho an’ny fivavahana Kristianina na ny “Judeo-Chrétien” dia soratra Masina no ilazana azy, tenin’Andriamanitra koa hoy ny fiangonana maro. Betsaka anefa ireo zavatra tsy fantantsika mpamaky sy mpino tsotra momba ny Baiboly, ny fiandoany, ny fifandiran-kevitra ao anatiny ary indrindra indrindra tenin’Andriamanitra tokoa ve no ao ? Sombiny ihany amin’izay mety ho ady hevitra lavabe momban’ny Baiboly no ho atosako eto ka afaka manampy izany koa ianao.

    Hazon'ny Fiainana

    Hazon'ny Fiainana


    Noho ny tahotra ny mety ho andikàna vilana ny hevitry ny Baiboly hono dia natokana ho an’ny loham-piangonana ihany ny mamaky azy ary mampafantatra ny votoatiny amin’ny mpino, taloha tamin’ny andron’ny Katôlika Romana. Nony tonga ny vanim-potoanan’ny “réforme” an’i Calvin sy Luther dia niova izany ka lasa afaka namaky ny rehetra. Tsy izay ihany anefa no novàna fa ny soratra mihintsy, nanesorana, naova ny dikany ary nolazàna ary fa misy tsy “inspiré” izany hoe tsy avy amin’Andriamanitra (Luther) ny toko sasany ka noesorina tao koa. Ny Ekleziasta, Jakôba, Mpitorinteny ary ny Apôkrifa Katôlika no tiana ambara eto. Iza no afaka milaza fa tsy “inspiré” ireny, raha tenin’Andriamanitra daholo no ao nahoana no nanesorana foana. Tsy lazaina intsony moa ny kidan-teny lasa vilana izay diso mihintsy aza moa indraindray arakaraka ny tenim-pirenena nandikana azy; mandainga tokoa ny soratra nohon’ny lovan-tsofina raha ampitahana. Raha tenin’Andrianamitra daholo maninona no misy fifanoherana amin’ny endriny maro? Iza marina no nanoratra ny Baiboly ? Raha tonga i Jesoa ka nanao ny fifanenkena vaovao maninona no mbola mifikitra be amin’ny Testamenta taloha ihany ? Izay be fanontaniana hono dia lasa very ny finoany, hoy aho hoe fandresen-dahatra tsy halalàna ny marina izany. (Jaona 8:31-32).
    CodexPalatinus
    Mety ho samy manana ny valiny ny fironana ara-pinoana tsirairay momba ny fandraisana ny dikan’ny teny ao anaty Baiboly fa porofo fa misy fifandiran-kevitra kosa dia maro be. Ireo izay ho tanisako manaraka eto dia nalaiko tami’ny tambanjotran’ny vondrona tsy mpino na “Atheist”, tsy mino fa misy ny Andriamanitra (Dieux) ary tsy mino ny voaraikitra ao anaty Baiboly; tsy mahasakana azy ireo tsy handinika anefa izany ka nahafahany nitsongo ireo “fifandiran-kevitra” hamelezana ny Kristianina.

  • 1Tantara20:3 “Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna.(…)dia navoakany ka noriatany tamin’ny tsofa aman-dapika vy sy famaky”, ao @ 17-18-19 ahitana an’I Davida namono Syrianina22000, Abishay namono Edomita 18000. Sady “Massacre à la troonçoneuse” no tsy misy nenina na dia kely aza, izany ve no olona nofidian’I Andriamanitra ?
  • Fanisana25:3-4 “ Hoy I Iaveh tamin’ni Moïzy: Vorio daholo ny filohan’ny vahoaka rehetra ka ahantony tandifin’ny masoandro(…), izay manompo Atra hafa dia ho vonoina @ fomba hafakely.
    Fanisana16:32-35 “Alevim-belona”, tena sadika mihintsy zany I Moizy raha ny tantara no jerena.
  • Mpitsara 8:7-10, Detoronomia2:34, 3:6-7 , Ezekiela 9:5-6 momban’ny famonoana tsy ara-drariny, mbola misy marobe tsy voatanisa.
  • Ezekiela4:12-13 “mampanao mofo amin’ny afo vita @ tay”
    IIMpanjaka18:27 “…Moa amin’ny tomponao sy aminao va no nasain’ny tompoko hilazana izany teny izany,…, mba hihinananay ny dikiny sy hisotroany ny ditsany miaraka aminareo?” Tonga amin’ilay fitenenana hoe #(*/=@&$¡£…niny eh !!!
  • Salamo137:9
  • Genesisy1:26 “(…)Andao isika hanao olona mitovy amin-TSIKA” , nolazaina fa hoe ‘TRINITE’ io isika marobe io (pluriel) nefa ny “concept’ny Trinite in-1 fotisny no voalaza ao anaty Baiboly; ny dikan’ny amin’ny Hebreo dia mandika ny Atra ao amin’ny Genesisy hoe “Elohim” midika hoe “Dieux” pluriel amin’ny teny Jiosy, tsy Trinite izany ilay “isika” fa Atra marobe.
  • Sy ny maro samihafa toy ny momban’i Kaina sy ny anabaviny,Onan, Lota sy ny zanany vavy, Babela..

    Ankoatra izany dia tsara ho fantantsika fa tsy ampy io Baiboly ampiasan-tsika amin’ny an-davanadro io. Misy ny raikitra Nag Hammadi Codex II hita tamin’ny taona 1945 ankoatra izay efa notazonin’ny Université Catholique de Jerusalem ka tsy navoakany mihintsy. Io Baiboly io izay lazaina fa “Aprocryphes” na soratra nafenina dia ampiasain’ny mpino Gnôstika, misy ‘Epitre’ sy Evanjilin’i Thomas, Jaques, Filipo, Jaona, Jodasy ary koa Maria (Magdala). Ao koa ny bokin’i Enoch sy Apôkalipsy an’i Paul sy Jacquess sns. Misy hifandraisany amin’ny Baiboly efa fantantsika ihany ireo toy ny tantara mifono anatra nataon’i Jesôsy (Palabre) ohatra fa ny tombony dia mampafantatra kokoa ny marina momban’ny teniny. Ny testamenta vaovao mantsy dia i Paoly no mitazona toerana be indrindra ao kanefa tsy nahita an’i Jesôsy akory. Maro be no tsara ho fantantra momban’ny tenin’Andriamanitra ka mila mikaroka ny mpino mba tsy ho voafitaka, tsy tsara mantsy ny mino ny tsy fantatra. “fa ny marina no hanafaka anareo” hoy i Jesôsy.

    July 21, 2009

    Madagasikara sy ny ady an-trano

    Amin-kalahelo lehibe no izarana aminareo izay mety hamaky ny loza mananon-tanona antsika mianakavy sy ny taranaka ho avy. Tsy resaka toram-po izy ity fa rehefa nodinihana ny zava-nitranga sy ny tantara dia tsy afa-miala ny porofo ananana. Raha ny toe-draraha nanerana an’i Afrika sy ny faritra sasan-tsasany eto amin’izao tontolo izao izay maro harena an-kibon’ny tany dia marihina fa ireo firenena manan-karena ireo izay mikorontana, be ady an-trano sy anisan’ny be trosa ary mahantra indrindra eran-tany. Toa lasa fisainana mihintsy aza ny mponina ao hoe toa hozona fa tsy fahasoavana ny fananana harena an-kibon’ny tany.
    ldgi gazety
    Tamin’ny faramparan’ny taona 2008 dia nampiaka-peo ireo vondrona mpamatsy vola goavana maneran-tany ny momaban’ny fitatanan-draraha amin’ny ankapobeny ary nihafara tamin’ny fampiatona ny famatsiana an’i Madagasikara. Rehefa vita sy nitranga ireny rehetra ireny izay azo lazaina fa nanome vahana sy nitsoaka ny afo nahatonga ny tolona 2009. Ny 17/03/09 moa no nifaran’ny tolona ho an’ny fahafahana iny, ary niroso tamin’ny fampandehanan-draharaha ny HAT izay nahazo fanamarihana tamin’ny vondron’ny mpamatsy vola fa madio sy mangarahara ny fitatanan-draraha sy ny volam-panjakana Malagasy. Azo lazaina izany fa tokony ho faly ireo mpamatsy vola satria tonga tamin’ny zavatra nirianay. Eo no mipetraka ny fanontaniana hoe: “ fa maninona no mbola tsy miverina ny famatsiana ?” kanefa efa tonga amin’ny zavatra notakiany ireto farany. Etsy andanin’izany anefa dia nanao tsipakin’ny miala aina ny mpomba ny fitondrana teo aloha ary manararaotra io fiaton’ny famantsiana io ka milaza fa ho faty noana ny Gasy raha tsy miverina i “Dada”. Eo no isintonana ny sain’ny be sy ny maro amin’ireto mpamatsy vola hoe inona no tena tadiaviny satria tsy mety ny fitantanana tamin’ny andron’i Ra8 ary tsy mety aminy koa ny HAT satria tsy nahazo mafatsianan afatsy ny ara-tsosialy. Ny fitambaran’ireo tranga ireo sy ny zava-miseho ankehitriny dia misarika ny saina amin’izao hevitra manaraka izao.
    La verita gazety
    Ataon’ny hery sy firenena any any ivelany fitaovana ny toe-draraha pôlitika ankehitriny mba hampiadiana ny Malagasy tahaka ny nitranga any amin’ireo firenena hafa afrikana manan-karena hafa. Tsarovy fa tsy hisy na iray aza manana ha hahita tombontsoa amin’ny ady an-trano. Satria raha sanatria ka tonga amin’izany isika dia na ny sakafo, fanafody ary ny fampitaovana amin’izany ady izany dia tsy maintsy ho atakalo ny haren-tsika. Izany hoe fomba iray ho entina hangorenana ny harena amin’ny firenena iray ny fampiadiana an-trano azy ireo. Ohatra izay fantatry ny mpanara-baovao ny ao Nigeria, Congo, Soudan, faran’ny teo tany Kenya izay nahafatesana olona 400 tao anati’ny iray herinandro monja. Noho izany dia antso no atao ho an’izay manana rà Malagasy mikoriana ao anatiny hoe aoka izay, ampy izay, tandindonin-doza ny firaisam-pirenena sy ny hoavin’ny taranaka ; ary tsy misy na dia iray aza sahy hilaza fa afaka miatrika izany. Aoka isika tsy hanaiky hataon’ireo mpanjanaka mitady handroba ny haren-tsika ho fitaovana. Raha ny tranga izay niseho nandritra ny faran’ny herinandro iny dia manaporofo ny firosoan-tsika amin’ny ady an-trano na dia endrika miafina toy ny fampihorohoroana aza izany. Maro izay olana ara-pôlitika efa nolalovan’ny Malagasy izay. Maro koa ireo mpitondra izay tsy manaiky ny hiala amin’ny fitondrana moramora ka manao izay afany hitazonana seza,namono olona tokoa izy ireny fa mbola tsy namporisika ady an-trano.

    July 13, 2009

    FIAROVANA FARANY

    Iaraha mahalala ny fahasahiranana mahazo ny firenena malalantsika ankehitriny. Raha ny tantara no jerena dia efa hatramin’ny faha-panjaka no notsiriritin’ny vahiny ny harena misy eto Madagasikara. Nihezaka naka izany ireo vahiny maro hatramin’izay ka hatramin’izao; ny fitondrana nifandimby koa nihezaka naka tombotsoa manokana tamin’izany tamin’ny alalan’ny fivarotana maro isan-karazany. Etsy an-daniny anefa ny mponina miha-mahantra, ny firenena mandroso any amin’ny lavaka mangitsokitsoka.

    Raha ireo no jerena dia tsy mitondra soa ho an’ny malagasy ny nanaovana ny haren’i Madagasikara ho (fihinam-poaraka) na “norobaina” mihintsy raha izay no mahalaza azy.
    Amin’izao fotoana izao dia maro ny malagasy tsy mbola nahita maso izany “SAPHIRE” izany; nefa io karazana vato io efa ho lany tamingana ankehitriny, dia ho lasa angano e !!!
    Amin’ny “HECTARE” maro ny ala naringana nanaovana foto-drafitr’asa hoan’ny fitrandrahana vahiny izay tsy ahitana vokatra eo amin’ny fiainantsika isan’andro; na hanao hetsika famerenana fambolen-kazo aza ireo mpitrandraka ireo dia tsy hitovy amin’ny maha-voajanahary azy izany izy ireny.
    1909lagazette.jpg
    Mila mifoha amin’ny torimasontsika isika, fa raha izao no mitohy dia ho lasa tany “ngazana” sy “hay” ity nosy malalantsika ity; satria tsy vitany norobaina ny harena ankibon’ny tany fa ny harena ambon’ny tany koa misy mandroba ary anisan’izany ny hazo, biby, … ; dia amin’izao koa ny RANO indray no kasaina haondrana. Mba saintsaino ange e! fa raha toa ka any amin’ny faritra be hazo “ala” no tratran’ny hain-tany ? Tamin’ny volana octobra 2006 dia ritra ny rano tao amin’ny barage Ambodiakondro izay mamatsy an’i Moramanga; tanàna izay ao anatin’ny faritra tsy tokony hisehon’ny tranga toa izany. Vokatr’io tranga mahagaga io dia tsy nisy ny rano na dia iray miteteha aza tamin’ireo paompy tao an-toerana, tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe SAHAFITANA commune rurale d’AMBOHIBARY izay 4km amin’ny lalana mankany NOSY-BE AN’ALA no natsaka ny mponina ary nahatratra 300 Ariary ny vidin’ny rano iray bidon de 35L. Ny tranga toa izany dia nohezahan’ny fanjakana tsy nahely nefa efa loza mitatao ho an’ny firenena. Tsy tokony hahagaga antsika raha toa ka tratran’ny hain-tany ny faritra atsimon’ny nosy satria any amin’ny faritra alaotra-mangoro aza efa miseo ny famantarana.

    Sarobidy ny rano ka tsy azo amidy na atakalo !

    Sarobidy ny rano ka tsy azo amidy na atakalo !


    Ny antoko pôlitika mivohy ny firehen-kevitra maintso “Hasin’i Madagasikara” izao dia nilatsaka an-toerana mihintsy mba hampisehoana fa tsy lanin’ny vavonin’ny mponina any Manakara-Vatovavy Fito Vinany ny famarotana rano amin’ny vahiny, nanao fandavana an-tsoratra faobe ny mponina any. Voalaza mantsy fa hivarina an-dranomasina io rano mande io ka tsy maninona raha amidy. Eny, mety ho marina izany nefa mino ve isika fa tsy hisy fiantraikany amin’ny tontolo iainana ankapobeny ny fihenan’ny sava ivon’ny reniranon’i Faraony. Mino marina ve isika fa ny vola (na kely na betsaka) azo amin’io varotra io dia hisy fiatraikany amin’ny vahoaka na fara faharatsiny mba hampitombo ny foto-drafitr’asa any amin’io toerana io. Fantantsika mialoha ny valiny fa TSIA.

    Vakio koa: Tomavana sy fiarovana ny rano
    Proteger l’eau c’est defendre la vie

    June 29, 2009

    Ireo Firenena betsaka tsy Mpino no milamina indrindra.

    Filed under: Finoana — tolotra @ 7:25 am

    Araka ny vokatrin’ny karoka nataon’ny manam-pahaizana iray amin’ny alalan’ny asa marika na statistika dia ireo firenena betsaka tsy mpino indrindra no milamina indrindra ary ireo izay betsaka mpiangona indrindra no tena be korontana. Ny korontanan tiany tenenina moa dia ny ady an-trano, fanajana ny zon’olombelona, isan’ny vono olona, isan’ny gadra, varotra fitaovam-piadiana ary ny fatran’ny demôkrasia. Ireo no fepetra ireo(23 no fitambarany) no jerena ka ampilaharina mba ahitana hoe iza no firenena mandry fahalemana indrindra (Global Peace Index na GPI). Nalaina indray ny salanisan’ireo izay milaza azy fa tena tsy mpino sy ireo izay milaza fa miditra am-piangonana farafahakeliny in-dray isam-bolana ka zaraina ho singa roa ary avy eo ampitahana tamin’ny valin’ny GPI. Ny valiny dia ireo tsy mpino sy ireo tsy dia miditra am-piangonana no manana salan’isa ambony.

    Global_peace_index
    Ny fanazavana nentin’ny mpanoratra dia ny hoe na ireo olona monina any amin’ny tany be ady lasa mpivavaka ny ankamaroany na ny fivavahana mihintsy no tsy dia tsara handrafetana fiarahamonina môderina. Na koa mety hoe misy toe-javatra hafa toy ny fahalalahana miteny, demôkrasia, fampianarana, CNAPS ambony be no mahatonga ny olona ho milamina sy tsy mivavaka. Ary raha dinihana ny tena antony dia tsy ny hoe ny Fivavahana no mahatonga korontana tsy akory fa ny fametrahana “dogma” ao anaty fiarahamonina iray. Ny dogma izay azo tsotsorina hoe foton-kevitra sy finoana natao hinoan’ny olona ary tsy azo ametraham-panontaniana ny maha marim-pototra azy. Ny dogma dia azo ampiasaina amin’ny lafiny maro, fivavahana sy finoana an’Andriamanitra, pôlitika sns. Izany hoe raha vao misy zavatra tompona teny fatratra dia mazava ho azy fa tsy afaka misaina malalaka ny olombelona fa tsy maintsy manaraka ny lalana voasoritry ny dogma nasaina noharahany.

    Toy izany koa ohatra ity fandalinana nataon’I Rosemberg ity, izay manam-pahaizana manokana momban’ny “Psychologie sociale” na ny fomba fisainan’ny olona anaty fiarahamonina. “Nanao fikarohana izy momba an’ireo mpivavaka mazoto amin’ireo finoana(fiangonana) 7 lehibe indrindra. Nandinika ireo olona manaraka ny fivavahany tsy misy fepetra izy ary nampitahainy tamin’ireo olona izay avy ao anaty tontolo mitovy tamin’ireo voalohany fa tsy manaraka fotom-pinoana na inona na inona. Tiany ho fantatra hoe iza no vondron’olona mampiseho fangorahana (compassion) be indrindra. Mitovy daholo ny valiny tamin’ireo fotom-pinoana lehibe indrindra: ireo tsy mivavaka no mampiseho fangorahana betsaka kokoa.” Beyond Good and Evil: Marshall Rosenberg On Creating a Nonviolent World. Nivoaka tao @ Sun, laharana 326 ny febroary 2003.

    Midika izany fa manao tsara kokoa isika raha manaraka ny fitsarana ara-môraly. Ny fiheverana fa tsy misy môraly ivelan’ny rafitra ara-mpivavahana dia diso tanteraka , raha manaraka io fotom-pisainana io ny olona iray dia mihevitra izy fa tsy manana safidy ankoatra izay voafaritra ao anatin’ny fivavahany, hanadino ny fahaizany misafidy ara-môraly izay toetra tsara voajanahary ananan’ny olona rehetra izy. Diso be koa ohatra ny fiheverana fa ny Jentilisa dia olona mpanao ratsy satria tsy mivavaka izy, misy olona tsy mpino manao ny tsara ary tsy manantena valiny amin’Andriamanitra (tahotra sy fanantenana famelan-keloka, fanavotana ny fanahy) satria fantany fotsiny ny tokony ataony manoloana toe-javatra iray. Ny finoana(foi) eto dia azo lazaina ho toy ny hery miankina amin’ny finoanoam-poana(croyances) izay mifototra mafimafy kokoa amin’ny finoanoam-poana tsy azo hisalasalana, tsy azo ametraham-panontaniana. Raha vao misy fisalasalana dia miavosa ny finoana noho izany tsy mahazo toherina izy raha tiana hitoetra mandrakizay. Ny olona tsy mpino izany dia tsy misaina araka ny finoana nomen’ny fiangonana fa miantehatra kokoa araka ireo traikefa sy zavatra hitany sy efa niainany taloha ka ahafahany mampiseho fahatsarana noho ireo sasany. Inona ary izany no Finoana tena izy ahafahan’ny Kristianina mampiseho toetra tsara eo anivon’ny fiarahamonina izay efa namafisn’i Jesoa tamin’ny androny ?

    June 19, 2009

    Ny Marina Momban’ny Fangalana Tany Ataon’ny Vahiny.

    “Amin’ny volana ambony dia hamoaka fepetra maromaro momban’ny fividianana tany ireo vondron’ny firenena matanjaka ao amin’ny G8, izany dia tarihin’ny Governemanta Japoney izay efa manana soritra mazava mba hifehezana ireo vatsy ara-tsakafony any ivelany. Ireo fepetra ireo dia ho atao sarisary “mira zara” na “équitable”, teny malefaka tokoa raha varotra no resahina nefa…. tsy adala ny olona.”

    global-landgrab-en
    Araka io vaovao nalaina tamin’ny tambajotra Grain io dia tsy mikely soroka tokoa ireo vahiny mba hahazoana tany hambolena izay matetila aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Mazava tokoa mantsy ny tetik’ry zareo nanomboka tamin’ny taona 2008 izay nanambaràna ny tsy fahampiana ara-tsakafo hiseho atsy ho atsy. Tsy maintsy fehezina ny loharanon-tsakafo, tsy inona izany fa ny tany fambolena. Mitombo foana ny velaran-tany ilaina, ary vinavinain’ny mpikaroka ho 20 tapitrisa ha izao no efa vita fifanarahana tamin’ny mpamatsy vola vahiny ka hanerana izao tontolo izao mihintsy io fomba fanao io. Firenena maro ary orinasa samihafa no miditra an-tsehatra amin’izany, manomboka any Congo mandalo any Sri Lanka, Hyundai ka hatramin’i Varun. Sahirana ihany ireo vondron’ny tantsaha sy ireo fikambanana misahana ny fambolena samihafa manoloana ny toe-javatra sy ity fomba mamoehatra mba hamelomana ny sasany ity, nisy Governemanta iray anefa nirodana nohon’ny fitsabatsabahany tamin’izany fifanarahana izany dia ny an’i Ravalomanana tao Madagasikara. Araka io vaovao io ihany dia toa i Madagasikara irey tokoa izany aloha no hany tsy tafalentika tamin’ireny fifanarahana ireny, eny na dia efa misy ary ireo Alemana mamboly “jatrophia”, ireo Japoney hamboly hazo, ireo Indiana hamboly katsaka fa amin’ny velaran-tany kely raha hoarina amin’ny 1,3 tapitrisa hekitara saika lasan’ireo Koreana tatsimo avy amin’ny Daewoo izay resabe tokoa ka naha voadaka an’i Ingahy Marka. Mahafinaritra tokoa mandre izany, hoe: “Gasikara ho an’ny Gasy” fa ny fanontaniana tsy maintsy apetraka dia ny hoe : hatramin’ny rahoviana ? Raha Varun (Inde) mantsy izao no jerena dia efa nanova famindra izy nanoloana ny zava-misy: nolazainy fa 50-50 ny fifanarahana ary tany efa misy tompony no ho ampiasainy (izay marina tokoa aloha e); izany hoe tsy hiala eto izy fa hanohy ny dia. I Daewoo koa dia tsy hiala maina na dia nandamoaka aza ny tetika niarahana tamin’I Ravalo satria nanao sonia fiarahamiasa tamin’ny HAT izy afakomaly momban’ny famatsiana jiro ny faritra Toamasina sy ny manodidina iny, DWIC no anarana noentiny tamin’ity indray mitoraka ity izay adika hoe “DaeWoo Industry Corp”, inona moa izany fa tsy i Kotozafy ihany ve no Alexis e! Ny fanontaniana apetraka iray hafa dia ny hoe fa dia naninona tokoa no tsy misy fika intsony ny hambolena any aminy ry zareo, ny firenena tandrefana rehetra no resahina eto ?

    Ny marina dia efa simba ny tany ambolena any ka mitady ny malemy hanorenam-pangady indray ry zareo. Ny teo ampelan-tananay aloha dia tsy ampy velively satria tendan-kanina ireo tandrefana ireo, ny Afrikana matin’ny hanoanana ry zareo kosa matin’ny tosi-drà vokatry ny hatavezana be loatra. Mampalahelo ihany ny zava-misy nefa akory atao, nalainy koa ireo tany midadasika maro any Amerika Atsimo (80% ny tany fambolena) mba hamokisana ireo mponina ao aminy. Ny tena loza anefa dia tsy ry zareo voky loatra sy matavy be sy ny sisa fa ny fomba famboleny ny tany mihintsy. Ireo mamam-pahaizana maro izay avy ao aminy ihany no efa nananatra mafy amin’io fomba ratsy io fa eeeeeeeeh, tenenina foana fa eeeeeeeh. Tsy inona izany fa ny fampiasana zezika simika sy akora famonoana bibikely be loatra mba hahazoana vokatra be ao anatin’y fotoana fohy dia fohy (saika adino ny OGM izay efa voaporofo koa fa manimba tany no ratsy ho an’ny fahasalamana). Ny Vokany dia tsy ampy 5 taona akory ny tany ampiasaina manaraka io fomba io dia lasa toy ireny tany efitra ireny, lasa mafy toy ireny “carreaux” ny efitra fidiovana ireny ny nofon-tany. Tsarovy fa na dia eo aza ny fanentanana ataon’ny fanjakana momban’ny fampiasana zezika simika dia vitsy dia vitsy ny tantsaha Malagasy mampiasa ireny, zezim-pahitra ihany ny an-dRamalagasy satria fantany ny mety ho loza raha hifanehatra amin’ny herin’ny natiora. Anjarantsika tsirairay ny mieritreritra ny hanomezana tany na tsia ho an’ny vahiny fa izany no marina momba azy ireo , tsy dia nohalaliniko teto moa ny momban’ny teny hoe TANINDRAZANA fa inoako fa fantantsika mianakavy ny dikany, misy ihany anefa ny mbola sahy miteny hoe : “tsy maninona na omena ny vazaha aza ireny tany ireny satria tsy misy mampiasa”. Sao dia mba hinan’ny amanintsika eto isika eh! (fomba fiteny io fa tsy teny ratsy).

    Further information:

    – URL: http://farmlandgrab.org
    http://www.grain.org/landgrab/

    Blog at WordPress.com.