Ndeha Hitady ny Marina

June 19, 2009

Ny Marina Momban’ny Fangalana Tany Ataon’ny Vahiny.

“Amin’ny volana ambony dia hamoaka fepetra maromaro momban’ny fividianana tany ireo vondron’ny firenena matanjaka ao amin’ny G8, izany dia tarihin’ny Governemanta Japoney izay efa manana soritra mazava mba hifehezana ireo vatsy ara-tsakafony any ivelany. Ireo fepetra ireo dia ho atao sarisary “mira zara” na “équitable”, teny malefaka tokoa raha varotra no resahina nefa…. tsy adala ny olona.”

global-landgrab-en
Araka io vaovao nalaina tamin’ny tambajotra Grain io dia tsy mikely soroka tokoa ireo vahiny mba hahazoana tany hambolena izay matetila aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Mazava tokoa mantsy ny tetik’ry zareo nanomboka tamin’ny taona 2008 izay nanambaràna ny tsy fahampiana ara-tsakafo hiseho atsy ho atsy. Tsy maintsy fehezina ny loharanon-tsakafo, tsy inona izany fa ny tany fambolena. Mitombo foana ny velaran-tany ilaina, ary vinavinain’ny mpikaroka ho 20 tapitrisa ha izao no efa vita fifanarahana tamin’ny mpamatsy vola vahiny ka hanerana izao tontolo izao mihintsy io fomba fanao io. Firenena maro ary orinasa samihafa no miditra an-tsehatra amin’izany, manomboka any Congo mandalo any Sri Lanka, Hyundai ka hatramin’i Varun. Sahirana ihany ireo vondron’ny tantsaha sy ireo fikambanana misahana ny fambolena samihafa manoloana ny toe-javatra sy ity fomba mamoehatra mba hamelomana ny sasany ity, nisy Governemanta iray anefa nirodana nohon’ny fitsabatsabahany tamin’izany fifanarahana izany dia ny an’i Ravalomanana tao Madagasikara. Araka io vaovao io ihany dia toa i Madagasikara irey tokoa izany aloha no hany tsy tafalentika tamin’ireny fifanarahana ireny, eny na dia efa misy ary ireo Alemana mamboly “jatrophia”, ireo Japoney hamboly hazo, ireo Indiana hamboly katsaka fa amin’ny velaran-tany kely raha hoarina amin’ny 1,3 tapitrisa hekitara saika lasan’ireo Koreana tatsimo avy amin’ny Daewoo izay resabe tokoa ka naha voadaka an’i Ingahy Marka. Mahafinaritra tokoa mandre izany, hoe: “Gasikara ho an’ny Gasy” fa ny fanontaniana tsy maintsy apetraka dia ny hoe : hatramin’ny rahoviana ? Raha Varun (Inde) mantsy izao no jerena dia efa nanova famindra izy nanoloana ny zava-misy: nolazainy fa 50-50 ny fifanarahana ary tany efa misy tompony no ho ampiasainy (izay marina tokoa aloha e); izany hoe tsy hiala eto izy fa hanohy ny dia. I Daewoo koa dia tsy hiala maina na dia nandamoaka aza ny tetika niarahana tamin’I Ravalo satria nanao sonia fiarahamiasa tamin’ny HAT izy afakomaly momban’ny famatsiana jiro ny faritra Toamasina sy ny manodidina iny, DWIC no anarana noentiny tamin’ity indray mitoraka ity izay adika hoe “DaeWoo Industry Corp”, inona moa izany fa tsy i Kotozafy ihany ve no Alexis e! Ny fanontaniana apetraka iray hafa dia ny hoe fa dia naninona tokoa no tsy misy fika intsony ny hambolena any aminy ry zareo, ny firenena tandrefana rehetra no resahina eto ?

Ny marina dia efa simba ny tany ambolena any ka mitady ny malemy hanorenam-pangady indray ry zareo. Ny teo ampelan-tananay aloha dia tsy ampy velively satria tendan-kanina ireo tandrefana ireo, ny Afrikana matin’ny hanoanana ry zareo kosa matin’ny tosi-drà vokatry ny hatavezana be loatra. Mampalahelo ihany ny zava-misy nefa akory atao, nalainy koa ireo tany midadasika maro any Amerika Atsimo (80% ny tany fambolena) mba hamokisana ireo mponina ao aminy. Ny tena loza anefa dia tsy ry zareo voky loatra sy matavy be sy ny sisa fa ny fomba famboleny ny tany mihintsy. Ireo mamam-pahaizana maro izay avy ao aminy ihany no efa nananatra mafy amin’io fomba ratsy io fa eeeeeeeeh, tenenina foana fa eeeeeeeh. Tsy inona izany fa ny fampiasana zezika simika sy akora famonoana bibikely be loatra mba hahazoana vokatra be ao anatin’y fotoana fohy dia fohy (saika adino ny OGM izay efa voaporofo koa fa manimba tany no ratsy ho an’ny fahasalamana). Ny Vokany dia tsy ampy 5 taona akory ny tany ampiasaina manaraka io fomba io dia lasa toy ireny tany efitra ireny, lasa mafy toy ireny “carreaux” ny efitra fidiovana ireny ny nofon-tany. Tsarovy fa na dia eo aza ny fanentanana ataon’ny fanjakana momban’ny fampiasana zezika simika dia vitsy dia vitsy ny tantsaha Malagasy mampiasa ireny, zezim-pahitra ihany ny an-dRamalagasy satria fantany ny mety ho loza raha hifanehatra amin’ny herin’ny natiora. Anjarantsika tsirairay ny mieritreritra ny hanomezana tany na tsia ho an’ny vahiny fa izany no marina momba azy ireo , tsy dia nohalaliniko teto moa ny momban’ny teny hoe TANINDRAZANA fa inoako fa fantantsika mianakavy ny dikany, misy ihany anefa ny mbola sahy miteny hoe : “tsy maninona na omena ny vazaha aza ireny tany ireny satria tsy misy mampiasa”. Sao dia mba hinan’ny amanintsika eto isika eh! (fomba fiteny io fa tsy teny ratsy).

Further information:

– URL: http://farmlandgrab.org
http://www.grain.org/landgrab/

Create a free website or blog at WordPress.com.