Ndeha Hitady ny Marina

July 31, 2009

MAKA NY TOERANY EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA NY ANTOKO HASIN’i MADAGASIKARA

Nametraka ny fototry ny politika ara-tontolo iainan’ny antoko eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena hiatrehana ny fikaonan-doha iraisam-pirenen’ny maitso any Malmoë Suède izay hatao amin’ny faran’ny volana oktobra 2009 ny delegasiona avy amin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Delegasiona izay notarihin’ny Filohany Saraha GEORGET RABEHARISOA, ahitana ny mpikambana ao amin’ny birao politika sy ny Ambasadaoron’ny antoko Maitso Malagasy any Eoropa, Andriamatoa Giancardo FUSCO. Noraisin’ireto olom-manakaja manaraka ireto ankitsim-po ny delegasiona: ny Filohan’ny Maitso Italiana Ramatoa Gracia FRANCESCATO, ny kandida ho filohan’ny Maitso Italiana Ramatoa Monica Frassoni, ny Sekretera Jeneralin’ny Maitso Eoropeana Andriamatoa Juan BEHREND, ary ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Maitso ao Rome Via Salandra Italie, foiben’ny antoko Maitso Italiana.

Nasain’ny haino aman-jery ofisialin’ny maitso italiana ihany koa ny Filohan’ny antoko Hasin’i Madagasikara nandritra ity fitsidihana ity.
Voaasa handray fitenena eo amin’ny Tribune officielle’ny Fivoriamben’ny Maitso Italiana ny filohan’ny Antoko Hasin’i Madagasikara ary izy irery ihany aloha hatramin’izao no nahazo izany voninahitra izany. Tsy manam-paharoa eo amin’ny tantaran’ny fivoriambe nasionalin’ny maitso izany ary mariky ny firaisan-kina lehibe sy ny fanajan’ny Maitso Italiana ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny antoko Hasin’i Madagasikara.

Nandritra ny fandraisana fitenenana teo anoloan’ny Fivoriambe sy ny mpanao gazety tonga nanatrika izany no nangatahan’ny Filoha Saraha GEORGET RABEHARISOA ny fanohanana matotra avy amin’ny Maitso Eoropeana amin’ny fanafoanana ny fanokana-monina an’i Madagasikara misy ankehitriny. Nangataka ihany koa izy ny amin’ny hampiasana fitaovana mahomby mba hafahana mampihena na koa manafoana ny elanelana misy amin’izao fotoana izao eo amin’ny Avaratra izay efa tena matanjaka ara-indostria sy ny Atsimo izay mbola eo andalam-pandrosoana. Nasongadina manokana ny olana amin’ny fananan-tany, ny fiarovana ny rano ary ny fametrahana politika fampandrosoana maharitra izay manaja ny tontolo iainana. Naharesy lahatra ny olona rehetra nanatrika ity fivoriana ity ireo hafatra manan-danja ireo. Izany no antony niangaviana ny antoko Hasin’i Madagasikara hiaro an’ireo foto-kevitra ireo mandritra ny Fivoriamben’ny Maitso eran-tany izay hatao any Malmoë Suède amin’ny volana oktobra 2009. Nahafa-po tokoa ny fifanakalozan-kevitra vita tamin’izany satria dia noraisina ho toy ny mpampivondrona ho any amin’ny hevitra vaovao azo hampiarina amin’ny fanatontoloana ny fototra iorenan’ny antoko Hasin’i Madagasikara izany hoe: ny tany, ny rano ary ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Ao anatin’izany ny fitandroana ny Kolo-tsaina sy ny Tantaran’ny firenena tsirairay avy. Ambonin’izay rehetra izay dia nanambara teo anoloan’ny Fivoriambe sy ny mpanao gazety Ramatoa Filohan’ny antoko Hasin’i Madagasikara fa hangataka ny hampidirana ao anaty lalam-panorenana izay hofidiana eto Madagasikara atsy ho atsy ny tsy hampiasana mihitsy ny angovo nokleary na eo amin’ny sehatra sivily na eo amin’ny sehatra ara-miaramila na dia eo aza ny fananany uranium marobe ao ankibon’ny tany. Nilaza ihany koa izy fa handà izay mety ho fifanarahana mikasika ny fanariana loto nokleary eny an-tanety sy eny amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.

Marihina fa mirona tanteraka amin’ny fanapariahana ny angovo azo avy amin’ny rano, ny rivotra sy ny masoandro ary manome lanja betsaka ny fiovaovan’ny toetr’andro ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara.

July 13, 2009

FIAROVANA FARANY

Iaraha mahalala ny fahasahiranana mahazo ny firenena malalantsika ankehitriny. Raha ny tantara no jerena dia efa hatramin’ny faha-panjaka no notsiriritin’ny vahiny ny harena misy eto Madagasikara. Nihezaka naka izany ireo vahiny maro hatramin’izay ka hatramin’izao; ny fitondrana nifandimby koa nihezaka naka tombotsoa manokana tamin’izany tamin’ny alalan’ny fivarotana maro isan-karazany. Etsy an-daniny anefa ny mponina miha-mahantra, ny firenena mandroso any amin’ny lavaka mangitsokitsoka.

Raha ireo no jerena dia tsy mitondra soa ho an’ny malagasy ny nanaovana ny haren’i Madagasikara ho (fihinam-poaraka) na “norobaina” mihintsy raha izay no mahalaza azy.
Amin’izao fotoana izao dia maro ny malagasy tsy mbola nahita maso izany “SAPHIRE” izany; nefa io karazana vato io efa ho lany tamingana ankehitriny, dia ho lasa angano e !!!
Amin’ny “HECTARE” maro ny ala naringana nanaovana foto-drafitr’asa hoan’ny fitrandrahana vahiny izay tsy ahitana vokatra eo amin’ny fiainantsika isan’andro; na hanao hetsika famerenana fambolen-kazo aza ireo mpitrandraka ireo dia tsy hitovy amin’ny maha-voajanahary azy izany izy ireny.
1909lagazette.jpg
Mila mifoha amin’ny torimasontsika isika, fa raha izao no mitohy dia ho lasa tany “ngazana” sy “hay” ity nosy malalantsika ity; satria tsy vitany norobaina ny harena ankibon’ny tany fa ny harena ambon’ny tany koa misy mandroba ary anisan’izany ny hazo, biby, … ; dia amin’izao koa ny RANO indray no kasaina haondrana. Mba saintsaino ange e! fa raha toa ka any amin’ny faritra be hazo “ala” no tratran’ny hain-tany ? Tamin’ny volana octobra 2006 dia ritra ny rano tao amin’ny barage Ambodiakondro izay mamatsy an’i Moramanga; tanàna izay ao anatin’ny faritra tsy tokony hisehon’ny tranga toa izany. Vokatr’io tranga mahagaga io dia tsy nisy ny rano na dia iray miteteha aza tamin’ireo paompy tao an-toerana, tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe SAHAFITANA commune rurale d’AMBOHIBARY izay 4km amin’ny lalana mankany NOSY-BE AN’ALA no natsaka ny mponina ary nahatratra 300 Ariary ny vidin’ny rano iray bidon de 35L. Ny tranga toa izany dia nohezahan’ny fanjakana tsy nahely nefa efa loza mitatao ho an’ny firenena. Tsy tokony hahagaga antsika raha toa ka tratran’ny hain-tany ny faritra atsimon’ny nosy satria any amin’ny faritra alaotra-mangoro aza efa miseo ny famantarana.

Sarobidy ny rano ka tsy azo amidy na atakalo !

Sarobidy ny rano ka tsy azo amidy na atakalo !


Ny antoko pôlitika mivohy ny firehen-kevitra maintso “Hasin’i Madagasikara” izao dia nilatsaka an-toerana mihintsy mba hampisehoana fa tsy lanin’ny vavonin’ny mponina any Manakara-Vatovavy Fito Vinany ny famarotana rano amin’ny vahiny, nanao fandavana an-tsoratra faobe ny mponina any. Voalaza mantsy fa hivarina an-dranomasina io rano mande io ka tsy maninona raha amidy. Eny, mety ho marina izany nefa mino ve isika fa tsy hisy fiantraikany amin’ny tontolo iainana ankapobeny ny fihenan’ny sava ivon’ny reniranon’i Faraony. Mino marina ve isika fa ny vola (na kely na betsaka) azo amin’io varotra io dia hisy fiatraikany amin’ny vahoaka na fara faharatsiny mba hampitombo ny foto-drafitr’asa any amin’io toerana io. Fantantsika mialoha ny valiny fa TSIA.

Vakio koa: Tomavana sy fiarovana ny rano
Proteger l’eau c’est defendre la vie

Create a free website or blog at WordPress.com.