Ndeha Hitady ny Marina

July 31, 2009

MAKA NY TOERANY EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA NY ANTOKO HASIN’i MADAGASIKARA

Nametraka ny fototry ny politika ara-tontolo iainan’ny antoko eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena hiatrehana ny fikaonan-doha iraisam-pirenen’ny maitso any Malmoë Suède izay hatao amin’ny faran’ny volana oktobra 2009 ny delegasiona avy amin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Delegasiona izay notarihin’ny Filohany Saraha GEORGET RABEHARISOA, ahitana ny mpikambana ao amin’ny birao politika sy ny Ambasadaoron’ny antoko Maitso Malagasy any Eoropa, Andriamatoa Giancardo FUSCO. Noraisin’ireto olom-manakaja manaraka ireto ankitsim-po ny delegasiona: ny Filohan’ny Maitso Italiana Ramatoa Gracia FRANCESCATO, ny kandida ho filohan’ny Maitso Italiana Ramatoa Monica Frassoni, ny Sekretera Jeneralin’ny Maitso Eoropeana Andriamatoa Juan BEHREND, ary ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Maitso ao Rome Via Salandra Italie, foiben’ny antoko Maitso Italiana.

Nasain’ny haino aman-jery ofisialin’ny maitso italiana ihany koa ny Filohan’ny antoko Hasin’i Madagasikara nandritra ity fitsidihana ity.
Voaasa handray fitenena eo amin’ny Tribune officielle’ny Fivoriamben’ny Maitso Italiana ny filohan’ny Antoko Hasin’i Madagasikara ary izy irery ihany aloha hatramin’izao no nahazo izany voninahitra izany. Tsy manam-paharoa eo amin’ny tantaran’ny fivoriambe nasionalin’ny maitso izany ary mariky ny firaisan-kina lehibe sy ny fanajan’ny Maitso Italiana ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny antoko Hasin’i Madagasikara.

Nandritra ny fandraisana fitenenana teo anoloan’ny Fivoriambe sy ny mpanao gazety tonga nanatrika izany no nangatahan’ny Filoha Saraha GEORGET RABEHARISOA ny fanohanana matotra avy amin’ny Maitso Eoropeana amin’ny fanafoanana ny fanokana-monina an’i Madagasikara misy ankehitriny. Nangataka ihany koa izy ny amin’ny hampiasana fitaovana mahomby mba hafahana mampihena na koa manafoana ny elanelana misy amin’izao fotoana izao eo amin’ny Avaratra izay efa tena matanjaka ara-indostria sy ny Atsimo izay mbola eo andalam-pandrosoana. Nasongadina manokana ny olana amin’ny fananan-tany, ny fiarovana ny rano ary ny fametrahana politika fampandrosoana maharitra izay manaja ny tontolo iainana. Naharesy lahatra ny olona rehetra nanatrika ity fivoriana ity ireo hafatra manan-danja ireo. Izany no antony niangaviana ny antoko Hasin’i Madagasikara hiaro an’ireo foto-kevitra ireo mandritra ny Fivoriamben’ny Maitso eran-tany izay hatao any Malmoë Suède amin’ny volana oktobra 2009. Nahafa-po tokoa ny fifanakalozan-kevitra vita tamin’izany satria dia noraisina ho toy ny mpampivondrona ho any amin’ny hevitra vaovao azo hampiarina amin’ny fanatontoloana ny fototra iorenan’ny antoko Hasin’i Madagasikara izany hoe: ny tany, ny rano ary ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Ao anatin’izany ny fitandroana ny Kolo-tsaina sy ny Tantaran’ny firenena tsirairay avy. Ambonin’izay rehetra izay dia nanambara teo anoloan’ny Fivoriambe sy ny mpanao gazety Ramatoa Filohan’ny antoko Hasin’i Madagasikara fa hangataka ny hampidirana ao anaty lalam-panorenana izay hofidiana eto Madagasikara atsy ho atsy ny tsy hampiasana mihitsy ny angovo nokleary na eo amin’ny sehatra sivily na eo amin’ny sehatra ara-miaramila na dia eo aza ny fananany uranium marobe ao ankibon’ny tany. Nilaza ihany koa izy fa handà izay mety ho fifanarahana mikasika ny fanariana loto nokleary eny an-tanety sy eny amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.

Marihina fa mirona tanteraka amin’ny fanapariahana ny angovo azo avy amin’ny rano, ny rivotra sy ny masoandro ary manome lanja betsaka ny fiovaovan’ny toetr’andro ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara.

Create a free website or blog at WordPress.com.